𝐒𝐀𝐍𝐓𝐀-ππ€π‘π˜ πŸπŸŽπŸπŸ” – π…πˆπ‡π€πŽππ€πŒππ„πβ€™ππ˜ 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀
π΄π‘›π‘œπ‘ π‘¦ π΄π‘£π‘Žπ‘Ÿπ‘Žπ‘‘π‘Ÿπ‘Ž : π‘›π‘Žπ‘ π‘œπ‘›π‘”π‘Žπ‘‘π‘–π‘›π‘Ž 𝑛𝑦 β„Žπ‘Žπ‘ π‘–π‘›β€™π‘›π‘¦ π‘£π‘Žπ‘Ÿπ‘¦ 𝑠𝑦 𝑛𝑦 β„Žπ‘’π‘Ÿπ‘–π‘›β€™π‘›π‘¦ π‘‘π‘Žπ‘›π‘‘π‘ π‘Žβ„Žπ‘Ž
πŸ”Ά Nankalazaina tamim-pomba teny Faravohitra, kaominina Anosy Avaratra, Distrika Antananarivo Avaradrano, ny 23 ka tsy hifarana raha tsy ny 26 aprily 2026, ny Fihaonamben’ny Tantsaha Avaradrano.

πŸ”Ά Hetsika nampiray ireo kaominina 16 ao anatin’ny distrika, ka ny β€œSATA-BARY” β€” fomba Malagasy nentim-paharazana β€” no nanamarika indrindra ny lanonana. Seho iray mampahatsiahy fa ny vary dia tsy sakafo fotsiny, fa fototry ny fiainana sy kolontsaina.
Nandritra izany, natolotry ny solontenan’ny tantsaha ho an’ny Fitondram-panjakana ny voaloham-bokatra, ho mariky ny fankasitrahana sy ny fifamatorana eo amin’ny tany sy ny fanjakana. Nisolo tena ny Filoham-panjakana, ny KΓ΄lΓ΄nely RANDRIANIRINA MichaΓ«l, ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, MΓ©decin GΓ©nΓ©ral de Brigade ZAFITASONDY Marcellin, niaraka tamin’ny Jeneraly RABEARIMANANA Lucien.
πŸ”Ά Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny lahateny ofisialy. Nohamafisina fa ny tantsaha no andry iankinan’izany, ka tsy maintsy tohanana amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, indrindra ny lalana. Ireo no lakilen’ny fanamorana ny fitaterana sy ny fidiran’ny vokatra eny an-tsena, hoy ny fanamarihana.
πŸ”Ά Ankoatra izay, nampirisihina ireo mpamboly hiditra amin’ny fambolena matihanina kokoa, hanavao ny teknika ampiasaina ary hanaraka akaiky ny torohevitra ara-teknika. Nofaranana tamin’ny fitsidihana ireo tranoheva ny lanonana fanokafana, nahitana taratra ny fahaiza-manao sy ny vokatra manankarena entin’ireo tantsaha ao Avaradrano β€” porofo velona fa mbola velona sy mandroso ny tontolo ambanivohitra Malagasy.
π…π€π‘πŒ πŒπ€πƒπ€π†π€π’π‚π€π‘ : ππ€ππ€πŒπ€π‘πˆπŠπ€ 𝐍𝐘 𝐒𝐀𝐍𝐓𝐀-ππ€π‘π˜ π€π•π€π‘π€πƒπ‘π€ππŽ πŸπŸŽπŸπŸ” π“π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π•πŽπŠπ€π“π‘π€ ππˆπŽπ‹πŽπ‰πˆπŠπ€
πŸ”Ά Anisan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’ny Fihaonamben’ny Tantsaha Avaradrano 2026 ny fikambanana Femmes en Action Rurale de Madagascar (FARM). Nampisongadina manokana ny fahaiza-mamokatra sy ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy eny ambanivohitra izy ireo, tamin’ny alalan’ny fampirantiana vokatra ara-biolojika novokarin’ireo vehivavy tantsaha mpikambana ao aminy.
πŸ”Ά Tsy nifarana tamin’ny fampirantiana ihany ny hetsika, fa nisy ihany koa ny fivarotana mivantana ireo vokatry ny tany. Vokatra avy amin’ny asa mafy sy fikarakarana nataon’ireo vehivavy tantsaha ireo, ka nahafahan’ny mpitsidika nijery, nifidy ary nividy mivantana, sady nanohana ny famokarana eto an-toerana.
πŸ”Ά Araka ny fanazavan’i Dina RAVONIARILALA, nandritra ny resadresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, dia mitondra hafatra roa lehibe ny fandraisan’anjaran’ny FARM amin’ity hetsika ity. β€œπ‘Ίπ’‚π’…π’š π’Žπ’‚π’Žπ’‘π’‚π’‰π’‚π’‡π’‚π’π’•π’‚π’•π’“π’‚ 𝒃𝒆𝒃𝒆 π’Œπ’π’Œπ’π’‚ π’π’š π’—π’π’Œπ’‚π’•π’“π’‚ π’ƒπ’Šπ’π’π’π’‹π’Šπ’Œπ’‚ π’Šπ’›π’‚π’‰π’‚π’š, 𝒏𝒐 π’Žπ’‚π’π’†π’‰π’ π’Šπ’‰π’‚π’π’š π’Œπ’π’‚ 𝒇𝒂 π’Žπ’‚π’‰π’‚π’—π’Šπ’•π’‚ π’Žπ’‚π’π’…π’“π’‚π’š 𝒂𝒏𝒋𝒂𝒓𝒂 π’π’†π’‰π’Šπ’ƒπ’† π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’‡π’‚π’Žπ’‘π’‚π’π’…π’“π’π’”π’π’‚π’π’‚ π’π’š π’—π’†π’‰π’Šπ’—π’‚π’—π’š 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒔𝒂𝒉𝒂,” hoy izy.
πŸ”Ά Amin’ny ankapobeny, maneho mazava ny andraikitry ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fampandrosoana eny ambanivohitra ny hetsika tahaka izao.
πŸ”Ά Ny FARM, amin’ny maha fikambanam-behivavy Tantsaha azy, dia manamafy fa tsy mpandray anjara fotsiny ny vehivavy, fa tena mpamokatra sy mpandray andraikitra fototra amin’ny fananganana toekarena maharitra.