Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanetsiketsehana sy fameloma-maso ny fikambanana eny ifotony
Mitohy tsy miato ny ezaka fanetsiketsehana sy fameloma-maso ny fikambanana eny ifotony ao anatin’ny hetsika entin’ny Femmes en Action Rurale de Madagascar. Notanterahina tao amin’ny Kaominina Manambaro, Fokontany Elarina,

ity hetsika ity, izay mikendry ny hanamafisana ny firaisankina sy ny fifampitokisana eo amin’ireo mpikambana, ary indrindra koa hampirisika azy ireo handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina misy azy.
Amin’ny alalan’ny fifanakalozana sy ny fanentanana mivantana eny ifotony, dia hita taratra ny fahavononan’ireo vehivavy sy mpikambana hanangana fototra matanjaka ho an’ny asa iombonana, ka manamafy fa ny hery avy eny amin’ny ifotony no antoky ny fandrosoana maharitr