Naneho fankasitrahana tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana FARM Sahambavy Haute Matsiatra
Naneho fankasitrahana tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana FARM Sahambavy Haute Matsiatra (Femmes en Action Rurale de Madagascar – Haute Matsiatra) noho ny fahatongavan’ny zanaka kafe izay natolotry ny FARM Nationale.
Araka ny fanazavana navoakan’izy ireo, dia efa ho tanterahina avy hatrany ny fambolena ireo zanaka kafe ireo, izay heverina ho anisan’ny paikady hanamafisana ny fidiram-bolan’ireo vehivavy tantsaha ao amin’ny faritra Haute Matsiatra.
Nanamafy ny tompon’andraikitra fa dingana iray lehibe amin’ny fanohanana ny vehivavy eny ambanivohitra izao hetsika izao, indrindra amin’ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny fahaleovantenan’ny vehivavy amin’ny lafiny ara-toekarena.
