π ππ«π’ππ«π ππ§ππ«π¨π² : π―ππ‘π’π―ππ―π² ππ π§π¨ π§π¨π‘ππ¦πππ’π¬π’π§π πππ‘ππ’π³π-π¦ππ§ππ¨ ππ¦π’π§βπ§π² ππ π«π¨ππ€π¨π₯π¨π£π’π π¬π² ππ’πππ§πππ§ππ§π π’ππ¨ππ¨π§π²
Nisitraka fiofanana manokana momba ny agroekolojia, ny leadership ary ny fitantanana fikambanana sy kaoperativa ny vehivavy miisa 29 avy aminβny FARM sy RJDD, tao aminβny Kaominina ambanivohitra Maroalopoty, DistrikanβAmbovombe Androy. Natao ny 10 hatraminβny 13 Jona 2026 lasa teo ny fiofanana, ary tafiditra tao anatinβizany ihany koa ny fametrahana βsite vitrineβ agroekolojika.
Tanjona lehibe taminβity iraka ity ny hanamafisana ny fahaiza-manao teknika, ara-pandaminana ary ara-pitarihana anananβireo vehivavy eny ifotony, indrindra ireo mpikambana ao aminβny FARM. Natao izany mba hanampiana azy ireo hanatsara tsikelikely ny fari-piainany, handray anjara mavitrika kokoa aminβny fampandrosoana eny an-toerana, ary hampihatra fomba fambolena maharitra mifanaraka aminβny zava-misy ara-toetrandro any Androy.
Nandritra ny efatra andro, nifantoka taminβny teknikanβny agroekolojia sahaza ny faritra maina ny fampiofanana. Nampahafantarina ireo mpandray anjara ny fomba fambolena manaja ny tontolo iainana, mitsitsy loharanon-karena, ary afaka manampy aminβny fiatrehana ny fiovaovanβny toetrandro. Zava-dehibe izany ho anβny faritra Androy, izay anisanβny miatrika olana miverimberina mifandray aminβny haintany sy ny fahasarotanβny famokarana.
Ankoatra ny lafiny teknika, nohamafisina ihany koa ny fahaiza-mitarika sy ny fahaiza-mitantana fikambanana. Nomena fitaovana sy fahalalana ireo vehivavy mba hahafahanβizy ireo mandamina tsara kokoa ny rafitra iarahany miasa, manatsara ny fandraisana fanapahan-kevitra, ary mampiroborobo ny fiaraha-mientana eo anivonβny fikambanana sy ny kaoperativa.
Iray aminβireo vokatra andrasana aminβity fiofanana ity ny fametrahana βsite vitrineβ agroekolojika, toerana natao hanehoana sy hampiharana mivantana ireo teknika nianarana. Ity toerana ity dia heverina ho sehatra fianarana sy fifanakalozana traikefa ho anβny mpikambana RJDD sy FARM, ary ho modely azo zaraina aminβny vondrom-piarahamonina manodidina.
Ho anβny FARM sy RJDD, dingana iray manan-danja aminβny fanomezana hery ny vehivavy eny ambanivohitra ity hetsika ity. Aminβny alalanβny agroekolojia, ny fitarihana ary ny fitantanana mahomby, antenaina fa hahazo toerana lehibe kokoa aminβny fampandrosoana ifotony ireo vehivavy, sady handray anjara mivantana aminβny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fananganana fiainana maharitra.
