FESTIVAL DE L’ÉCOLOGIE 2026
Analavory nampiantrano ny hetsika nasionaly ho fiarovana ny tontolo iainana sy fanohanana ny vehivavy tantsaha
ANALAVORY – Nampiantrano ny Festival de l’Écologie 2026 ny Kaominina Analavory, Distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy, ny 3 sy 4 Aogositra 2026. Hetsika fanao isan-taona izy ity, natao hanamafisana ny fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy hampirisihana ny olom-pirenena handray andraikitra manoloana ny fahasimban’ny harena voajanahary sy ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro.
Nampiavaka ity andiany ity ny hetsika maro lafy, anisan’izany ny carnaval namakivaky ny tanànan’Analavory, narahin’ny fampisehoana ara-kolontsaina sy hira fanentanana niarahana tamin’ireo mpanakanto malaza sy efa mavitrika amin’ny fampitana hafatra momba ny fiarovana ny tontolo iainana.
Rariny ara-toetrandro sy fampandrosoana maharitra
Araka ny fanazavana nentin’ireo mpikaroka nandritra ny hetsika, isan’ireo firenena marefo manoloana ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana i Madagasikara, na dia ambany aza ny anjara birikiny amin’ny famoahana entona mampitombo ny fihibohan’ny hafanana na gaz à effet de serre.
Nohamafisina, araka izany, ny antso ho amin’ny rariny ara-toetrandro (justice climatique) sy ny fiarovana maharitra ny harena voajanahary. Notsindriana ihany koa ny fifandraisan’izany amin’ny fiandrianam-pirenena ara-tsakafo sy ny fampandrosoana maharitra.
Ny Fikambanan’ny Vehivavy Tantsaha FARM, ny RJDD ary ny CRAD-OI no nikarakara sy niandraikitra ny fanatanterahana ny Festival de l’Écologie 2026.
Vehivavy tantsaha, isan’ny ivon’ny hetsika
Anisan’ny nisongadina tamin’ity festival ity ny fanohanana ireo vehivavy tantsaha, indrindra ireo mpikambana ao amin’ny FARM.
Nandritra ny hetsika dia nahazo fiofanana momba ny angovo maitso izy ireo, anisan’izany ny famokarana charbon vert, ny hay tarika, ary ireo teknika fambolena tsy mampiasa zezika simika. Tanjona ny hampiroboroboana fomba famokarana maharitra, sady miaro ny tontolo iainana no manampy amin’ny fanatsarana ny fiveloman’ny mponina eny ambanivohitra.
Tranoheva 35 teo ho eo nampiranty ny vokatra
Tsy nijanona tamin’ny fiofanana ihany ny hetsika. Nomena sehatra ihany koa ireo fikambanan’ny vehivavy tantsaha hampahafantatra sy hampiranty ny vokatra sy ny fahaiza-manaony.
Tranoheva 35 teo ho eo no nandray anjara, nahitana vokatra ara-pambolena, masomboly, vokatra voahodina ary karazana vokatra sy fahaiza-manao mifandraika amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra.
“Natao indrindra izao hetsika izao mba ho fanohanana ireo vehivavy tantsaha sy hanohizana ny fanentanana ny rehetra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana”, hoy Ramatoa Ravoniarisoa Hantanirina Lilia, Filoha Nasionalin’ny Fikambanana FARM, raha nanazava ny tanjon’ny hetsika.
Any DIANA indray ny fotoana amin’ny 2027
Taorian’ny Analavory dia efa mitodika any amin’ny andiany manaraka ny mpikarakara. Ny Faritra DIANA no nambara fa hampiantrano ny Festival de l’Écologie amin’ny taona 2027.
Mitohy, araka izany, ny ezaka hampiely manerana an’i Madagasikara ny hafatra momba ny fiarovana ny tontolo iainana, sady manome sehatra bebe kokoa ho an’ireo vehivavy tantsaha izay manana anjara toerana lehibe amin’ny famokarana, ny fiarovana ny harena voajanahary ary ny fampandrosoana maharitra eny ifotony.
