Aller au contenu
Lot:. VP 5 โ€“ Lazaina, Antananarivo Avaradrano - Madagascar +261 34 12 451 71 +261 33 12 451 71

๐…๐š๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐€๐ง๐๐ซ๐จ๐ฒ : ๐ฏ๐ž๐ก๐ข๐ฏ๐š๐ฏ๐ฒ ๐Ÿ๐Ÿ— ๐ง๐จ ๐ง๐จ๐ก๐š๐ฆ๐š๐Ÿ๐ข๐ฌ๐ข๐ง๐š ๐Ÿ๐š๐ก๐š๐ข๐ณ๐š-๐ฆ๐š๐ง๐š๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐š๐ ๐ซ๐จ๐ž๐ค๐จ๐ฅ๐จ๐ฃ๐ข๐š ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ญ๐š๐ง๐ญ๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐ข๐Ÿ๐จ๐ญ๐จ๐ง๐ฒ

Accueil๐…๐š๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐€๐ง๐๐ซ๐จ๐ฒ : ๐ฏ๐ž๐ก๐ข๐ฏ๐š๐ฏ๐ฒ ๐Ÿ๐Ÿ— ๐ง๐จ ๐ง๐จ๐ก๐š๐ฆ๐š๐Ÿ๐ข๐ฌ๐ข๐ง๐š ๐Ÿ๐š๐ก๐š๐ข๐ณ๐š-๐ฆ๐š๐ง๐š๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐š๐ ๐ซ๐จ๐ž๐ค๐จ๐ฅ๐จ๐ฃ๐ข๐š ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ญ๐š๐ง๐ญ๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐ข๐Ÿ๐จ๐ญ๐จ๐ง๐ฒ
Nisitraka fiofanana manokana momba ny agroekolojia, ny leadership ary ny fitantanana fikambanana sy kaoperativa ny vehivavy miisa 29 avy aminโ€™ny FARM sy RJDD, tao aminโ€™ny Kaominina ambanivohitra Maroalopoty, Distrikanโ€™Ambovombe Androy. Natao ny 10 hatraminโ€™ny 13 Jona 2026 lasa teo ny fiofanana, ary tafiditra tao anatinโ€™izany ihany koa ny fametrahana โ€œsite vitrineโ€ agroekolojika.

Tanjona lehibe taminโ€™ity iraka ity ny hanamafisana ny fahaiza-manao teknika, ara-pandaminana ary ara-pitarihana anananโ€™ireo vehivavy eny ifotony, indrindra ireo mpikambana ao aminโ€™ny FARM. Natao izany mba hanampiana azy ireo hanatsara tsikelikely ny fari-piainany, handray anjara mavitrika kokoa aminโ€™ny fampandrosoana eny an-toerana, ary hampihatra fomba fambolena maharitra mifanaraka aminโ€™ny zava-misy ara-toetrandro any Androy.
Nandritra ny efatra andro, nifantoka taminโ€™ny teknikanโ€™ny agroekolojia sahaza ny faritra maina ny fampiofanana. Nampahafantarina ireo mpandray anjara ny fomba fambolena manaja ny tontolo iainana, mitsitsy loharanon-karena, ary afaka manampy aminโ€™ny fiatrehana ny fiovaovanโ€™ny toetrandro. Zava-dehibe izany ho anโ€™ny faritra Androy, izay anisanโ€™ny miatrika olana miverimberina mifandray aminโ€™ny haintany sy ny fahasarotanโ€™ny famokarana.
Ankoatra ny lafiny teknika, nohamafisina ihany koa ny fahaiza-mitarika sy ny fahaiza-mitantana fikambanana. Nomena fitaovana sy fahalalana ireo vehivavy mba hahafahanโ€™izy ireo mandamina tsara kokoa ny rafitra iarahany miasa, manatsara ny fandraisana fanapahan-kevitra, ary mampiroborobo ny fiaraha-mientana eo anivonโ€™ny fikambanana sy ny kaoperativa.
Iray aminโ€™ireo vokatra andrasana aminโ€™ity fiofanana ity ny fametrahana โ€œsite vitrineโ€ agroekolojika, toerana natao hanehoana sy hampiharana mivantana ireo teknika nianarana. Ity toerana ity dia heverina ho sehatra fianarana sy fifanakalozana traikefa ho anโ€™ny mpikambana RJDD sy FARM, ary ho modely azo zaraina aminโ€™ny vondrom-piarahamonina manodidina.
Ho anโ€™ny FARM sy RJDD, dingana iray manan-danja aminโ€™ny fanomezana hery ny vehivavy eny ambanivohitra ity hetsika ity. Aminโ€™ny alalanโ€™ny agroekolojia, ny fitarihana ary ny fitantanana mahomby, antenaina fa hahazo toerana lehibe kokoa aminโ€™ny fampandrosoana ifotony ireo vehivavy, sady handray anjara mivantana aminโ€™ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fananganana fiainana maharitra.
[aigpl-gallery id=ย ยป308″]
Partagez cet article Faites dรฉcouvrir cette actualitรฉ ร  votre communautรฉ.
INSTAGRAM

Suivez-nous sur Instagram

Dรฉcouvrez les derniรจres publications de FARM Madagascar

@farmmadagascar