Aller au contenu
Lot:. VP 5 – Lazaina, Antananarivo Avaradrano - Madagascar +261 34 12 451 71 +261 33 12 451 71

Fanentanana momba ny fampiasana zezika biolojika

AccueilFanentanana momba ny fampiasana zezika biolojika

Notanterahina tao amin’ny Kaominina Sabotsy Ambohitr’omby, ny sabotsy 06 Jona 2026, ny fanentanana momba ny fampiasana zezika biolojika, izay notarihin-dRamatoa Tafita.

Nandritra izany dia nohazavaina tamin’ireo mpandray anjara ny tombontsoa azo avy amin’ny zezika biolojika, indrindra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tany, ny fampitomboana ny vokatra ary ny fiarovana ny tontolo iainana. Nampahafantarina ihany koa ny fomba fanamboarana sy fampiasana azy araka ny tokony ho izy.

Nahaliana ny mponina ity fanentanana ity, ary vehivavy maro no tonga nanatrika sy nandray anjara mavitrika tamin’ny fifanakalozan-kevitra. Maro tamin’izy ireo no naneho fahavononana hampihatra ireo fahalalana azony amin’ny asa fambolena ataony.

Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny FARM hanohanana ny vehivavy eny ambanivohitra, hampiroborobo ny fambolena maharitra ary hampihenana ny fampiasana akora simika mety hanimba ny tany sy ny fahasalaman’ny mponina.

Daty: 6 juin 2026
Toerana: Sabotsy Ambohitromby • Sabotsy Ambohitromby • Andramasina • Analamanga
Toerana mazava: Tananan'ny Sabotsy Ambohitromby
Partagez cet article Faites découvrir cette actualité à votre communauté.
INSTAGRAM

Suivez-nous sur Instagram

Découvrez les dernières publications de FARM Madagascar

@farmmadagascar