FARM MADAGASCAR NISONGADINA TAMIN’NY FOARA “VEHIVAVY TANTSAHA SY AGROEKOLOJIA”

FARM MADAGASCAR NISONGADINA TAMIN’NY FOARA “VEHIVAVY TANTSAHA SY AGROEKOLOJIA”

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 20 Martsa 2026 tao amin’ny Zaridaina Antaninarenina, Antananarivo, ny Foara “Vehivavy Tantsaha sy Agroekolojia”, hetsika manasongadina ny anjara toerana lehibe raisin’ny vehivavy eo amin’ny sehatry

ny fambolena maharitra sy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, indrindra amin’ny fampiasana teknika fambolena tsy mampiasa akora simika.

Tonga nanokatra ny hetsika ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fambolena, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra sy mpisehatra amin’ny tontolo ambanivohitra, anisan’izany ny Filohan’ny Tranoben’ny Tantsaha sy ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka.

Nandritra ny lanonana fanokafana dia nisy ireo kabary nifandimbiasana ary narahina fampiratiana vokatra amin’ny alalan’ireo tranoheva, izay nampisehoan’ireo vehivavy tantsaha Malagasy ny vokatra novokariny. Marihina fa vokatra biolojika tanteraka ireo aseho, tsy ahitana akora simika na dia kely aza.

Anisan’ireo nisongadina nandritra ity foara ity ny FARM – Femmes en Action Rurale de Madagascar, izay nandray anjara mavitrika tamin’ny fampiratiana vokatra sy ny fanentanana mikasika ny agroekolojia sy ny fambolena maharitra. Notarihin’ny Mpandrindra Nasionaly, Ramatoa RAVEROMAMPIONONA Solomon, ny tranohevan’ny FARM izay nampiranty sakafo, akoho ary vokatra biolojika maro samihafa novokarin’ireo vehivavy tantsaha ao anatin’ny tambajotran’ny fikambanana.

Araka ny nambarany, manana lanja lehibe ho an’ny vehivavy tantsaha ny hetsika tahaka izao, satria manome sehatra hanehoana sy hampiroboroboana ny vokatra biolojika vokarin’izy ireo, sady manamafy ny anjara toeran’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Nahasarika mpitsidika maro nandritra ny andro voalohany ihany koa ny tranohevan’ny FARM.

Fantatra fa mbola hitohy rahampitso Zoma 21 Martsa 2026 ny hetsika, ka manasa ny rehetra handalo hitsidika sy hijery ireo vokatra biolojika vokarin’ireo vehivavy tantsaha Malagasy.

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *